Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

8 Koa aoka hianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra, 9 izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin'ny Kristy Jesoa, talohan'ny taona rehetra, 10 sy naharihary ankehitriny, tamin'ny nisehoan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika, ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin'ny Evanjely. 11 Izany Evanjely izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny jentily; 12 ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin'izany anefa aho, fa fantatro izay ninoako, ary matoky aho fa izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-pihavin'izay andro izay. 13 Tano amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'ny Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.

14 Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1015